Ny Cercle de RĂ©flexion Voantsinampy, Sampana Fanabeazana dia faly mizara aminao
antontam-pandaharana miendrika fanontaniana maromaro miompana amin’ny sehatry ny
fanabeazana, amin’ny alalan’ny tambanjotram-pifaneraserà na toy ny facebook (fizarà na
tsotra na podcast), na amin’ny haino aman-jery (spot radio, horonan-tsary fohifohy), na koa
gazety izay ho hitanao ihany koa ao amin’ny tranonkala www.voantsinampy.net
« Fanabeazana tena tsara ? Lova ho an’ny dimby sy fara !» : misy fanontaniana
mampandinika natao hiantefa amin’ny mpisehatra ao anatin’ny fanabeazana, ambaratonga
rehetra, ara-panjakana sy tsy miankina, na tompon’andraikitra izany na fikambanana, na ray
amandrenin’ny mpianatra na ny mpianatra mihitsy. Raha fehezina dia natao ho an’ny olompirenena rehetra, eny fa na dia ireo malagasy tsy mipetraka any Madagasikara aza, nefa kosa
liana amin’ny tantsoroka ho an’ny fanabeazana ny mpiray tanindrazana.
« Fanabeazana tena tsara ? Lova ho an’ny dimby sy fara !» : fanontaniana hosaintsainina sy
mitaky valiny avy amin’ny olom-pirenena rehetra voalaza eo ambony. Mety ho fizarà na
vaovao momba ny fanabeazana, mety koa ho fampahalalĂ na na fifanakalozana mikasika ny
sehatra iray manokana ao anatin’ny tontolon’ny fanabeazana. Ny tanjona amin’ireo dia ny
hisian’ny hetsika fohy ezaka na lavitrezaka hampandroso ny fanabeazana manerana an’i
Madagasikara, tsy mifidy faritra, tsy mifidy ambaratonga.
« Fanabeazana tena tsara ? Lova ho an’ny dimby sy fara ! » : ny valinteny omen’ireo
mpamaky na mpihaino na mpijery dia haravona hoentina ihany koa hamoronana tetikasa ka
hozarain’ny Cercle de Réflexion Voantsinampy amin’ireo mety hamatsy vola hahatanteraka
ireo hetsika tanjona voalaza etsy ambony.
Farany, fampahatsiahivana fohy momba ny Cercle de RĂ©flexion Voantsinampy : Tsy
fikambanana na antoko politika, fa sehatra hifanakalozan-kevitra hitondran’ny mpiray
tanindrazana rehetra tsy ankanavaka tsara sitrapo ka maniry hanasoa ny tanindrazana.
Ny Sampana Fanabeazana ao anatin’ny Cercle de Réflexion Voantsinampy dia misy
mpikambana anaty sy ivelan’i Madagasikara ary manana traikefa sy fahalalana manokana
momba ny fanabeazana amin’ny ambaratonga rehetra manomboka amin’ny garabola
hatrany amin’ny anjerimanontolo.
« Fanabeazana tena tsara ? Lova ho an’ny dimby sy
fara ! » harahinao tsy ho ela!
Fanabeazana tena tsara ? Lova ho an’ny dimby sy fara !
Tsy fikambanana na antoko politika, fa sehatra hifanakalonzan-kevitra hitondran’ny mpiray tanindrazana rehetra tsy ankanavaka tsara sitrapo ka maniry hanasoa ny tanindrazana.
Afaka manohana ny Cercle amin’ny alalan’ny Paypal ianao na mobile money.