Na dia kely sy bitika aza izahay image-slider-home-3 Dia Vonona hanova ny Tantara Even We are Small image-slider-home-3 We Can Make a Change Malgré notre taille image-slider-home-3 On peut contribuer au Changement

Cercle de Reflexion

Nouvel Ordre Mondial

Ny Cercle de Reflexion Nouvel Ordre Mondial (NOM) dia sehatra iadian-kevitra mahakasika ny zava-mitranga maneran-tany eo amin'ny lafim-piainana rehetra toy ny: fiarian-karena, fahasalamana, geo-politique, fikarohana siantifika, sns...ary iarahana amin'ireo mpino kristianina lahy na vavy izay manana traikefa manokana eo amin'ny sehatra izay voalaza etsy ambony.

Ny fandinihana, famakafakana sy ny ady hevitra izay atao dia mifototra amin'izay voalaza ao amin'ny Baiboly ary hamarinina araka izay voalazany.

Ny sehatra dia tsy manao politika na manana firehana politika. Tsy manavaka foko, finoana, volon-koditra na firehan-kevitra.

Ny fepetra hidirana ho mpikambana dia: efa mpikambana ao amin'ny Voantsinampy, manaiky ny Baiboly ho fototra iaingana hanaovana ny ady hevitra syny fikarohana izay atao.

Tsy fikambanana na antoko politika, fa sehatra hifanakalonzan-kevitra hitondran’ny mpiray tanindrazana rehetra tsy ankanavaka tsara sitrapo ka maniry hanasoa ny tanindrazana.

Mila Tohana izahay

Afaka manohana ny Cercle amin’ny alalan’ny Paypal ianao na mobile money.

© Copyright 2021 by Voantsinampy