Na dia kely sy bitika aza izahay image-slider-home-3 Dia Vonona hanova ny Tantara Even We are Small image-slider-home-3 We Can Make a Change Malgré notre taille image-slider-home-3 On peut contribuer au Changement

Cercle de Reflexion

Fanabeazana

Ny Cercle de Réflexion Voantsinampy, Sampana Fanabeazana dia faly mizara aminao antontam-pandaharana miendrika fanontaniana maromaro miompana amin’ny sehatry ny fanabeazana, amin’ny alalan’ny tambanjotram-pifaneraseràna toy ny facebook (fizaràna tsotra na podcast), na amin’ny haino aman-jery (spot radio, horonan-tsary fohifohy), na koa gazety izay ho hitanao ihany koa ao amin’ny tranonkala www.voantsinampy.net

« Fanabeazana tena tsara ? Lova ho an’ny dimby sy fara !» : misy fanontaniana mampandinika natao hiantefa amin’ny mpisehatra ao anatin’ny fanabeazana, ambaratonga rehetra, ara-panjakana sy tsy miankina, na tompon’andraikitra izany na fikambanana, na ray amandrenin’ny mpianatra na ny mpianatra mihitsy. Raha fehezina dia natao ho an’ny olompirenena rehetra, eny fa na dia ireo malagasy tsy mipetraka any Madagasikara aza, nefa kosa liana amin’ny tantsoroka ho an’ny fanabeazana ny mpiray tanindrazana.

« Fanabeazana tena tsara ? Lova ho an’ny dimby sy fara !» : fanontaniana hosaintsainina sy mitaky valiny avy amin’ny olom-pirenena rehetra voalaza eo ambony. Mety ho fizaràna vaovao momba ny fanabeazana, mety koa ho fampahalalàna na fifanakalozana mikasika ny sehatra iray manokana ao anatin’ny tontolon’ny fanabeazana. Ny tanjona amin’ireo dia ny hisian’ny hetsika fohy ezaka na lavitrezaka hampandroso ny fanabeazana manerana an’i Madagasikara, tsy mifidy faritra, tsy mifidy ambaratonga.

« Fanabeazana tena tsara ? Lova ho an’ny dimby sy fara ! » : ny valinteny omen’ireo mpamaky na mpihaino na mpijery dia haravona hoentina ihany koa hamoronana tetikasa ka hozarain’ny Cercle de Réflexion Voantsinampy amin’ireo mety hamatsy vola hahatanteraka ireo hetsika tanjona voalaza etsy ambony.

Farany, fampahatsiahivana fohy momba ny Cercle de Réflexion Voantsinampy : Tsy fikambanana na antoko politika, fa sehatra hifanakalozan-kevitra hitondran’ny mpiray tanindrazana rehetra tsy ankanavaka tsara sitrapo ka maniry hanasoa ny tanindrazana.

Ny Sampana Fanabeazana ao anatin’ny Cercle de Réflexion Voantsinampy dia misy mpikambana anaty sy ivelan’i Madagasikara ary manana traikefa sy fahalalana manokana momba ny fanabeazana amin’ny ambaratonga rehetra manomboka amin’ny garabola hatrany amin’ny anjerimanontolo.

« Fanabeazana tena tsara ? Lova ho an’ny dimby sy fara ! » harahinao tsy ho ela!

Fanabeazana tena tsara ? Lova ho an’ny dimby sy fara !

Centre FIEZAHANA Andoharanofotsy, Antananarivo, Madagasikara

Tsy fikambanana na antoko politika, fa sehatra hifanakalonzan-kevitra hitondran’ny mpiray tanindrazana rehetra tsy ankanavaka tsara sitrapo ka maniry hanasoa ny tanindrazana.

Mila Tohana izahay

Afaka manohana ny Cercle amin’ny alalan’ny Paypal ianao na mobile money.

© Copyright 2021 by Voantsinampy